Misy ampahany amin’ireo mpiasan’ny Jirama manamafy fa tsy mety ary tsy ilaina ny fidiran’ilay orinasa Amerikanina Symbion Power an-tsehatra amin’ny fanarenana ny Jirama
. Amin’izy ireo dia tsy tokony homena vahiny, hono, fa fananam-pirenena ny Jirama na dia efa am-pelatanan’ny vahiny (Frantsay sy Karana) aza ny 75%-n’ny famokarana herinaratry ny Jirama amin’izao fotoana.
Tombontsoa mihoa-pampana
Samy miaina ny delestazy maharitra 3 ora isan’andro ny eto Antananarivo renivohitra sy manodidina amin’izao fotoana. Tsotra ny anton’io : tsy voaloan’ny fanjakana ny volan’ireo orinasa mpamokatra herinaratra koa dia tapahan’izy ireo tsotra izao ny famatsiana. Ireo orinasa ireo izay mivarotra herinaratra lafo amin’ny Jirama (manodidina ny 600 Ar ny 1 Kwh) kanefa amidin’ny Jirama 205 Ar amin’ny mpanjifa izany ka mahatonga ny fatiantoka goavana ao amin’ity orinasa ity isam-bolana. Tsy vitan’izay fa mbola ireo kaompania lehibe mpanafatra sy mpaninjara ny solika eto amintsika, izay mbola an’ny Frantsay na miara-miasa akaiky aminy no mivarotra ny solika ampiasain’ny Jirama sy ireo mpamokatra herinaratra tsy miankina ireo ka rehefa tsy voaloa ny vola dia manapaka ny famatsiana ihany koa reo kaompanian-tsolika ireo. Tsy misy afa tsy ny tombontsoa ara-bola no mibaiko ireto orinasa ireto hatramin’izay ka hatramin’izao, nionona tamin’ny famokarana angovo amin’ny alalan’ny Centrale thermique mampiasa solika izy ireo satria izay no hahazoana tombony kokoa.
AGOA
Tsy afaka ny hitazam-potsiny ny varotra fatiantoka isam-bolana kosa anefa etsy an-kilan’izay ny fitondram-panjakana sy ny mpitantana eo anivon’ny Jirama ka tsy maintsy nikaroka ny vahaolana rehetra azo ekena ka tsy hamono antoka ny rehetra. Teo no nipoiran’ny fiaraha-miasa amin’ny Symbion Power, orinasa Amerikanina mpamokatra herinaratra efa fanta-daza ary nanaporofo ny fahaiza-manaony taty Afrika atsinanana. Anisan’ny firenena iasan’ny Symbion power ohatra ny ao Tanzania, Nigeria, Kenya, Rwanda ary Ouganda. Eto Madagasikara dia manana fandaharanasa goavana fananganana toerana famokarana herinaratra any Tsimiroro, Mahajanga, Toamasina, Nosy Sainte Marie sy Nosy-Be ity orinasa ity. 116 MW no aorina ao Tsimiroro ary avy ao no hamatsiana ny an’Antananarivo, ny fuel lourd izay trandrahana ao an-toerana no ampiasaina hanodinana ireo milina. Ao Mahajanga indray dia hananganana toeram-pamokarana herinaratra hanana tanjaka 10 MW izay mandeha amin’ny herin’ny masoandro miampy iray hafa mamokatra 5MW hampiasa ny angovo Biomass. Azo atao ny mampidina ny vidin’ny 1 Kwh amin’ny herinaratra eto Madagasikara, hoy ry zareo avy ao amin’ny Symbion Power. Teo no mety nampikorapaka ny sasany satria tena ho very fihinanana ireo orinasa mivarotra angovo lafo amin’ny Jirama ankehitriny raha mahita mpiara-miasa vaovao manome tolotra mora kokoa ny Jirama. Ho tampi-dalan-kaleha koa ireo zatra manao bizina solika eo anivon’ny Jirama. Re fa mety hanodidina ny 400 Ar eo ho eo ny vidin’ny 1kwh atolotr’ity orinasa Amerikanina ity raha toa ka manodidina ny 600 Ar araka ny nambara tery ambony ny an’ireo orinasan’ny Frantsay. Hamaha ny olan’ireo mpitantana orinasa ny fihenan’ny vidin’ny herinaratra, indrindra ny AGOA izay nitarin’ny Amerikanina hatramin’ny 2015 ny fisitrahan’i Madagasikara azy ary hamorona asa vaovao hatrany amin’ny 2 hetsy any.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.