Actualités

Grenady tetsy Antanimena Tsy navela hanadihady ny Emmo-Reg


  • Talata 26 Oktobra 2010


Omaly no tokony ho nosokafana ny fanadihadiana momba ilay toraka grenady tao amin’ny ministry ny raharaham-bahiny, araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Raha ny tsiliantsofina anefa dia tsy nankato izany ny tompon-trano satria efa fantany, raha araka ny loharanom-baovao mitovy hatrany, ny olona izay tompon’andraikitra tamin’iny asa ratsy iny. Dikan’izany dia izy ihany no handamina ny raharaha. Miaramila ambony galona indrindra eto amin’ny nosy ny tenany, ka tsy zoviana aminy izany. Raha ny re hatrany aza dia mety hisy ny fanambarana hataony anio momba iny zava-nitranga iny. Amin’ny lafiny iray dia toa miendrika tsy fitokisana ny Emmo-Reg ihany ny tranga toy izany, indrindra ho an’ireo mpanao fanadihadiana izay efa tonga teny an-toerana saingy nolavina. Asa amin’ny fomba ahoana, ankoatra ny fanadihadiana sy ny fanolorana ny fitsarana ny tompon’andraikitra tamin’ny fanakorontanana no entin’ity ministra ity handamina ny raharaha.... 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT