Actualités

Grenady, baomba ... Mikorontana Antananarivo


  • Talata 23 Novambra 2010

Taitra indray Ambohijatovo, Analakely sy ny manodidina azy rehetra omaly raha naheno zavatra nirefotra mahery vaika.

Tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro teo dia nisy nanipy grenady teo Mandrosoa-Ambohijatovo, tsy mifanalavitra loatra ny eglizy Advantista. Tsy nanimba zavatra izy io na namono olona. Tsy nisy ihany koa ny naratra. Raha ny vinavinan’ny mpitandro ny filaminana dia ny tobin’ny RM1 no mety natao lasibatra tamin’ity asa ratsy ity. Nisy avy hatrany ny fisamborana nataon’ny mpitandro ny filaminana rehefa nisy olona voatondron’ny vavolombelona maromaro teo an-toerana. Tovolahy iray no voasambotra ary nentina tany amin’ny zandary mba hatao fanadihadiana. Fantatra koa afak’omaly alina fa nisy fipoahana be teny amin’ny manodidina an’i Mahamasina. Nohafamafisina avy hatrany ny fiarovana ny toby rehetra manodidina, anisan’izany Ankadilalana izay hitazonana an-dry Jeneraly Rakotonandrasana sy ny tariny. Torak’izany ihany koa ny toby Ratsimandrava. Niverimberina hatrany hatramin’ny herinandro lasa teo ny fahitana baomba na koa firefotana grenady izay alefan’olon-tsy fantatra.

Toy ilay tetsy Antanimena izay toeram-pisakafoanana iray no nametrahana baomba izay soa ihany fa mba tsy nirefotra. Ny ampitson’iny ihany dia nisy tranga mitovy tanteraka tamin’io tetsy 67 ha. Mbola tao amin’ny toeram-pisakafoanana ihany koa no nahitana baomba. Mikorontana hatrany ny olona ary mihorohoro manoloana ny zava-misy. Efa manomboka ho toy ireny any amin’ny tany miady ireny mantsy ny iainana eto an-drenivohitra. Ao anatin’ny herinandro dia misy hatrany ny baomba hita, mifanaretsaka etsy sy eroa ny fiara mitondra mpitandro ny filaminana izay mirongo basy. Tsy misy andro iray intsony tsy hipoahan’ny grenady mandatsa-dranomaso sy ny fisamborana isan-karazany. Etsy andanin’izay ihany koa dia toa lasa fitadiavam-bola ho an’ny miaramila ny fampitahorana hanongam-panjakana. Ny vahoaka miha noana sy efa leo, ny baomba mipoaka, ny sasany anefa dia tsy mbola ho tapa-kevitra mihitsy ny hiala amin’ny toerany. Mainka koa aza izy rehetra mifikitra ny sezany ary hanemotra ny fifidianana izay izy ihany no nanapa-kevitra ny amin’izany, mba hahafahana mijanona elaela kokoa... 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT