Actualités

Grande Braderie de Madagascar Misongadina ireo entana ilaina amin’ny Paska.


  • Zoma 03 Aprily 2015

Miditra amin’ny andro faha-4 anio ilay andiany voalohany amin’ ny «Grande Braderie de Madagascar» ho an’ity taona 2015 ity izay nanomboka ny talata 31 martsa teo ary hifarana rahampitso sabotsy 4 aprily.

Mpandray anjara amin’ny sehatra samihafa miisa 250 no mampiranty karazana entana ilain’ny mpanjifa amin’ireo tranoheva 300 amin’izao fetin’ny Paska izao. Orinasa lehibe ny 20% amin’izy ireo ary mpiara-miasa efa tao anatin’ny taona maro ny 90%. Tsy niova ny fampiharana ilay fampihenana ny vidin’entana ho 15%. Afaka manara-maso izany eny anivon’’ireo toerana fakan-kevitra ahitana ireo vidin’entana anaty solosaina ny mpitsidika miisa 5.000 andrasana mandritra ny 5 andro eny amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina. Misy ihany koa ireo mpanara-maso miisa 8. Mitohy amin’ity andiany vaovao ity moa ny fandaniana ireo entana tahiry nanomboka tamin’ny volana septambra 2014, hoy ny tompon’andraikitry ny hetsika.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT