Nanomboka omaly zoma etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ary haharitra telo andro ilay hetsika “Grand Salon m’autoccaz” karakarain-dRakotomanga Haingo,
vehivavy mpandraharaha no sady mpisehatra goavana amin’ny resaka trano fandraisam-bahiny eto amintsika ihany koa. Andiany voalohany izy ity izay fantatra fa tena zava-baovao be eto an-drenivohitra tokoa, natao hanampiana indrindra ireo olona tia mikarakara fiara sy môtô eny fa na dia ho an’ireo vao hividy aza. Fiara efa niasa manodidina ny 300 isa ho haranty eny an-toerana mandritra izany ka anisan’ireny ireo malaza indrindra amin’izao fotoana toy ny fiara 4x4 sy ny starex raha mahatratra 300 isa ihany koa ny môtô. Afaka manandrana avy hatrany mijery ny mombamomba ilay fiara sy môtô izay te-hividy hoy hatrany Rakotomanga Haingo, raha toraka izany ihany koa ny sera toy ireo hanakalo ohatra dia hanindry vola… Mahatratra 30 isa ireo trano eva mandray anjara amin’izany, izay ahitana ireo mpivarotra kojakoja amin’ny fiara ihany koa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.