Actualités

Gilles Filiatreault « Azo atao tsara ny miala amin’ny Annexe B »


  • Talata 08 Desambra 2015

Tsy tokony ho sarotra amin’ny kaompania Air Madagasikara ny miala amin’ny Annexe B ary manana ny manampahaizana afaka manamarina izany amin’ny alalan’ny asany ireo teknisianina malagasy miasa eo

anivon’ity kompaniam-pirenena ity, hoy ny tale jeneralin’ny  Air Madagascar. Fanambarana  nataony omaly teny Ivato io nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena  ho an’ny fitanterana  ana habakabaka sivily. Nambaran’ity tompon’andraikitra voalohan’ny Air Madagasikara ity fa ho avy tsy ho ela eto Madagasikara indray ireo  teknisianina eoropeanina  hanao tombana sy fanaraha-maso ny fomba fiasan’ny  teknisianina malagasy amin’ny fomba fifehezana ireo pitsopitson’ny fandrindrana sy ny fitandroana ny fanaraham-penitry ny fahalavorarian’ny fiaramanidina.

Momba ny asan’ny  kaompania  manokana dia nambaran’Atoa Gilles Filiatreault fa malalaka ny tsena  ivelaran’ny asa saingy ny  fifaninanana no mafy. Nambarany ihany koa fa  alohan’ny  faran’ny taona dia  ho vonona ny drafitra vaovao  entina hanarenana ny Air Madagascar. Momba ny fanamboarana ny seranam-piaramanidina  eny Ivato sy ny any  Nosy be indray  dia  fantatra  omaly fa tsy ho vita alohan’ny  fandraisan’i Madagasikara ny fivorian’ny tany miteny    ampahany na manontolo ny teny frantsay ireo seranana roa ireo  ka tokony hitady vahaolana dieny  izao  amin’izay fomba hampiantsonana  ireo fiaramanidina ho tonga eto Madagasikara  ny fitondram-panjakana, hoy ity tale jeneralin’ny Air Madagascar ity.

Andry Ratovo 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT