Actualités

Gilbert Raharizatovo Mitety faritra mikarakara ny antokony


  • Talata 25 Mey 2010

Fanesorana azy tsy ho mpikambana ao amin’ny governemanta intsony no nitsena an’i Gilbert Raharizatovo avy any am-pitetezam-paritra raha efa manoman-tena sahady amin’ny fifidianana ho avy.

Tao Ambilobe sy Antsiranana renivohitry ny faritra DIANA i Gilbert Raharizatovo, filoha nasionalin’ny antoko RPM (Rassemblement Pour Madagascar), ny faran’ny herinandro lasa teo nanao famoriam-bahoaka nampahafantatra sy nametraka ny ambaindain’ity antoko tarihiny ity. Raha ny loharanom-baovao avy any Antsiranana anefa dia tsy nahazo alalana hanao famoriam-bahoaka ankalamanjana ity minisitra ity, ka voatery nihafy tao amin’ny Hotel de La Poste. Mbola ny loharanom-baovao ihany no mitatitra fa tsy nitsitsy teny, manakiana ny fitondran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ity minisitra ity. Saika tanora ary mpianatry ny oniversite ny ankamaroan’ny tonga tamin’io fihaonana io. Anisan’ireo minisitra sivy tsy tafaverina intsony tamin’ny toerany izy rehefa tao nandritra ny 12 volana teo. Minisitera telo no notantanany tao anatin’izay fotoana izay. Tao amin’ny fizahantany sy ny kolontsaina, tao amin’ny kolontsaina sy ny serasera ary farany teo dia nitana ny Minisiteran’ny kolontsaina sy ny vakoka. Betsaka ny zavatra nampanantenainy fa hatao tao anatin’izany toy ny hanokafana onjampeo vaovao na “2è Chaine” tao amin’ny fahitalavi-panjakana. Teo koa ny “Green TV” neritreretiny hanomezan-danja ny zahavoary sy ny fizahantany amin’ny ankapobeny eto Madagasikara. Hatreto aloha dia mijanona ho fampanantenana ny amin’ireo. Na tsy naharesy lahatra ny governemanta na noho ny antony hoenti-manana, indrindra ny ara-bola no nampikatso ny tetikasany ka mety ho izay no nihazakazahan’ity Minisitra ity any amin’ny politika indray aloha.

Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT