Tezitra ireo mpianatra eny Ankatso sy ny eny Vontovorona ka nihetsika. Taorian’ny fivorian’ny mpampianatra ao amin’ny Seces izay tsy dia nahitana vokatra mivaingana loatra dia nivory ireo mpianatra teny Ankatso ny sabotsy lasa teo.
Tapaka tamin’ny fivorian’izy ireo ary fa hanao hetsika omaly ary dia tontosa tokoa izany ho fanehoan’izy ireo ny tsy fahafaliany noho ny mety hidiran’ny taom-pianarana amin’ny taona fotsy eny amin’ny oniversite amin’ity taona ity. Teny Ankatso ary dia ny mpianatra tao amin’ny sampana fitantanana no nidina teo amin’ny fiantsonan’ny taksibe omaly saika hamory mpianatra saingy nalaky voatohan’ny mpitandro ny filaminana izany. Na izany aza anefa dia voadaroka mafimafy ihany no sady voasambotra indray i Jean Pierre ilay nitarika grevy teo aloha satria nambara fa anisan’ireo nitora-bato teny Ankatso. Ho an’ny teny Vontovorona indray dia mpianatra tokony ho 40 teo ho eo no nandoro kodiarana teo afovoan-dalana. Araka ny fanazavana voaray tamin’ireo mpianatra dia samy nanao fihetseketsehana amin’ny sekoliny avy aloha omaly ho fanairana fa omaly dia hampivondrona ny heriny amin’izay ireo mpianatra hanamafy ny fitakiany.
Andry Ratovo sy Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.