Mpianatra iray ao amin’ny taranja Malagasy antsoina hoe Jean Pierre no voasambotra ary vehivavy iray hafa kosa no naratra vokatry ny fifandonan’ny mpianatra eny Ankatso sy ny mpitandro ny filaminana omaly teny Ankatso
Leon’ny fitokonan’ny mpampianatra izay mampanangasanga ny taona fotsy ireo mpianatra eny Ankatso ka nanapaka hevitra ny hanao dia be ivelan’ny sekoly mba hanehoan’izy ireo ny tsy fahafaliany. Tsy lasa lavitra anefa izy ireo fa vao teo am-bavahady dia efa voasakan’ny mpitandro ny filaminana ka teo no nahatonga ny fifandonana sy ny fisamborana. « Leon’ny miandry ny fandrirarirana ataon’ny mpitondra izahay kanefa ny taom-pianarana efa hifarana ihany, hoy ny filohan’ny mpianatra avy ao amin’ny sampana fitantanana. Nanampy ny mpianatra teny Ankatso ny sasany tamin’ireo mpianatra eny Vontovorona ary mandrahona ny hanamafy izany hetsika izany izy ireo raha tsy misy ny vahaolana hitan’ny fanjakana amin’ity fitokonan’ny mpampianatry ny Seces ity. Ny tadiavin’ireo mpianatra dia ny handinihan’ny filohan’ny oniversite, ny lehiben’ny sampam-pampianarana rehetra, ny mpampianatra mpiakaroka, ny minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga ambony ary ny fiadidian’ny praiminisitra miaraka amin-databatra boribory izay vahaolana horaisina. Ny avy ao amin’ny Seces kosa dia nanao fanambarana fa ny zoma izao izy ireo no handray fanapahan-kevitra ny hanaovana taona fotsy ny taom-pianarana na tsia.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.