Actualités

Gidragidra tany Toliara Antandroy 65 nosamborin’ny Emmoreg


  • Sabotsy 10 Martsa 2018

Gidragidra tsy nifankahitana indray ny tany Toliara omaly, izay mbola tohin’ny fahafatesan’ny tovovavikely 15 taona tao Maninday hita faty ny marainan’ny 27 febroary teo.

Antandroy mpitarika posy miisa 65 no voasambotra nandritra ny savorovoro omaly tontolo andro. Raha ny fizotry ny tantara, dia mitaky ny hanomezana onitra omby 33 isa hahafaha-mandevina azy ireo mpikamban’ny dinabe avy amin’ny foko Antandroy, ary misy mihitsy ny milaza fa tsy hilamina izany ny tanàna raha tsy azo ny zavatra takian’izy ireo. Tsy mbola nalevina ny razana hatramin’izao. Misy ihany koa ny mihevitra fa namidy sy nahazoan’izay nanao ratsy volabe ny mason’ilay tovovavy. Ny olon-tiany no voarohirohy voalohany ho tompon’antoka, saingy tsy hita aloha izay tena marina momba ny raharaha hatreto. Ny andron’ny omaly, dia nanatsahatra ny asa fitariham-posy ny sasany tamin’ireo vatan-dehilahy mpanao izany, ka nanao andiany nilanja kibay sy langilangy nanerana ny tanàna. Izay mpitarika posy niasa sy sendra azy ireo, dia niharan’ny vono sy ny herisetra tamina toerana maromaro toy ny tao Bazaribe, Sanfily, Tanambao, Mahavatsy,.. Nahatratra 5 ireo naratra omaly antoandro ary nentina notsaboina teny amin’ny hopitaly. Nisy ihany koa ny fotodrafitrasa simba, ary nihorohoro sy nanidy tsena avokoa ny mpivarotra. Nirefodrefotra ny basy sy baomba mandatsa-dranomason’ny mpitandro ny filaminana nanapariahana ny olona, ary narahin’ny fisamborana, ka nahazoana ireo olona 65. Hahafaha sy tsy vaovao intsony ity resaka fakana maso ity ao Toliara ka maharomotra ny olona, ary toa mitady ho tonga hatrany amin’ny adim-poko. Efa nahitana izany tany ambanivohitra Ankililaoka, fokontany Belavenoka, tao amin’ny fokontany Belalanda,… Amidy tokoa ve sa ilaina amina resaka ody gasy fampiasan’ny dahalo ? Tsy hita aloha izay tohin’ny fanadihadiana sy ny  fikarohana ny marina momba ireny.


Raha ny fandaminana farany dia halevina aloha ilay tovovavy, homena ny omby 33, ary halefa ny fanadihadiana lalina hahitana ny tena marina. Mahagaga ny fisehoan-javatra ao Toliara satria nanomboka ny volana janoary dia efa enina ny olona nisy naka ny masony ilany, hoy ny loholona teo aloha sady zanak’i Toliara Robert Razaka omaly.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT