Actualités

Gégé Bosco Manakiana mafy ny Komity Olimpika Malagasy


  • Sabotsy 11 Novambra 2017

Mibaribary toy ny tafika andrefan-tanàna ankehitriny ny haratsiam-panahin’ny Komity Olimpika Malagasy tarihan’Atoa Siteny Andrianasoloniaiko amin’ny fanakorontanana indray ny fitantanana ny taranja ady totohondry Malagasy noho ny tsy fitiavana manokana ny tenako, hoy Atoa Andriamanampisoa Gégé Bosco filoha lefitry ny Federasion’ny Ady totohodry Malagasy.

  Nilaza mantsy izy ireo tany am-boalohany fa ny Aiba na federasiona iraisam-pirenen’ny Ady totohondry no tsy namela ahy hirotsaka ho fidiana ho filohan’ny FMBO tamin’ny taona 2014. Vao tsy ela akory izay dia nambaran’ity Komity Olimpika Malagasy ity fa ny Aiba Afrika no tsy manaiky ny hipetrahako ao amin’ny fitantanana ny Federasiona Malagasin’ny Boxe ary izao indray dia miova hoe ny fandraisako andraikitra maro eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena no tsy mety ka tsy maintsy tokony hametrahako fialana ao amin’ny Boxe. Nahoana raha izany, hoy i Gégé Bosco, no tsy miala amin’ny fitantanana federasion’ny Judo Atoa Siteny fa efa mitana andraikitra ambony eo anivon’ny Federasiona iraisam-pirenen’ity taranja ity sady mbola filohan’ny COM ihany koa raha tsy hilaza afa-tsy ireo fotsiny isika ? Ambarako fa matoa aho naverin’ireo ligy ao amin’ny fitantanana ny Ady totohondry Malagasy dia noho ny fahatsapan’izy ireo fa tsy nahavita ny asany ny filoha am-perinasa ka tsy nahavita fifaninanam-pirenena mihitsy raha tsy nisy ny fiverenako tao.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT