Tsy ho ela dia hampiasa ny etona natoraly azo amin’ireo gazy ao Mahaboboke Sakaraha ny vahoaka, fa mbola miandry ny taratasy avy amin’ny fanjakana foibe mahakasika ny tetikasa ataon’ny orinasa Sinoa Madagascar Siterm Petrolium Compagnie (MSPC) izay nahazo alalana avy amin’ny OMNIS hanatanteraka ny asa. Io no fantatra nandritra ny fitsidihana nataon'ny
Lehiben'ny faritra Atsimo Andrefana, Dr Zafitasondry Marcellin tany Mahaboboke. Nilaza ny lehiben’ny faritra fa tafiditra ao anatin'ny PND na ny Plan National de Développement, sady mifandraika ny IRR 100 andro ho an' ny Faritra ihany koa. «Toerana telo eto Mahaboboke no hitrandrahana gazy. Voalohany ity anaovana fanandramana ity ary tsara ny kalitaon’ny etona natoraly vokariny eto», hoy Atoa Liyin, tomponandraikitry ny orinasa eto Madagasikara. Nambaran’ ity sinoa ity fa efa tonga ao an-toerana sy miasa amin’izao ireo milina roa lehibe manana tanjaka 300 Kw hamokatra herinaratra.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.