Actualités

« Gare routičre » Mahajanga Tsy ekena ny fanesorana mpiasa


  • Alakamisy 26 Martsa 2015

Niteraka savorovoro tao anatin’ny toby fiantsonana Aranta ny fivoahan’ilay fitsipika vaovao mifehy ny toby avy amin’ny tompon’andraikitry ny fitaterana sy ireo filohan’ny kaoperativa rehetra manerana ny nosy.

 

 

 

 Raha ny voarakitra ao anatin’io fitsipika io dia ny fanesorana ireo mpiasa sasany amina biraon’ny kaoperativa iray izay tokony ho mpiasa telo ihany no afaka miasa ao. Tsy mety tamin’ireo mpiasan’ny “gare routière” anefa io fepetra nivoaka io ka nahatonga azy ireo hitroatra. Maro ny mpiasa no mba mitady vola ao anatin’ny toby, mamelona vady aman-janaka ny akamaroany ka tsy tokony hotapahiny ny fidiram-bola keliny, hoy izy ireo. Voalaza hatrany fa ireo mpikambana ao amin’ny FFVAP (Fiombonan’ny Filoha Vondrona Asam-Pitaterana) no namoaka io fanapahan-kevitra io izay tsy niarahan’izy ireo nidinika tamin’ny mpiasa madinika. Ny filohan’ny kaoperativa Cotisse nasionaly no filohan’io fikambanana io. Ny hamotika ny kaoperativa tsotra no tena tanjon’izy ireo, hoy hatrany ireo mpiasan’ny toby. Ny tompon’andraikitry ny federasion’ny fitaterana aza dia tsy mahalala io fitsipika nivoaka tampoka io. Anisan’ireo manohitra an’izany koa izy ireo. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny toby fiantsonana kosa dia tsy avy aminy ny mahatonga io fitsipika nivoaka io ary tsy andraikiny ny mamaha izany fa ireo filohan’ny kaoperativa no namoaka sy niara-nidinika azy io. Midika izany fa samy miala bala avokoa ireo tompon’andraikitra mikasika ity raharaha ao amin’ny “gare routière” ity. Mbola hitohy hatrany ny tolona raha tsy misy ny fandrasaina andraikitry ny fanjakana manoloana ity fitsipika mifehy ny toby ao Mahajanga izay niteraka korontana hafa ity indray. Ho hita eo izay mety ho tohin’ny tantara.


 

Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT