Actualités

Gadra politika Maniry ny hihaona amin’ny filoham-pirenena


  • Zoma 04 Desambra 2015

Fantatra, araka ny tati-baovao azo, fa natolotry ny “Comité d’Expert” namolavola azy ny filoham-pirenena teny amin’ny Lapan’Iavoloha ny alarobia teo ilay volavolan-dalŕna mikasika ny hananganana ny rafitra CFM izay hanohy ny asa nataon’ny FFM teo aloha.

 

 Noho izany dia mitaky ny hihaona amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny birao nasionalin’ny F.E.De.P na FEdération des DEténus Politique tarihan’ny filohany Rakotomalala Henri na i Riribe izay vao avy nitety faritany  nihaona sy nitondra fanazavana ary fanentanana an’ireo gadra politika sy niharam-boina tsy misy an-kanavaka   tamin’ireo krizy nifandimby rehetra teto amin’ny firenena ny amin’ny tena fampihavanam-pirenena izay hirosoan’ny fitondram-panjakana ankehitriny ho fanatanterahana ny fehin-kevitra tapaka nandritra ny fihaonambem-pirenena notarihan’ny FFKM teny Ivato farany teo. Rariny; araka izany, raha mba mandalo eo imasonay F.E.De.P aloha io volavolan-dalàna io alohan’ny hitondrana azy eny amin’ny rafitra mpanao lalàna. Nomarihan’Atoa Riribe fa fangatahan’ny isam-paritra, izay efa natafatsangana ny birao provainsialy F.E.De.P, ny hanafainganana ny fanonerana ireo gadra politika sy ireo niharam-boina tamin’ny krizy nifandimby teto amintsika.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT