Actualités

Gaboraraka ao amin’ny kaominin’i Toamasina Nametra-pialana ny filohan’ny mpanolotsaina


  • Alarobia 21 Febroary 2018

Sambany teo amin’ny tantaran’ny kaominin’i Toamasina no nisy filohan’ny mpanolotsain’ny tanàna nametra-pialana noho ny zava-misy tsy mandeha amin’ny laoniny sy tsy manaraka ny lalàna ao Toamasina.

 Voalohany nanao izany noho ny fahitany ny tsy fetezan’ny fiaraha-miasa sy ny tsy fifanajana intsony eo amin’ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina sy eo amin’ny samy mpanolotsaina amin’ny fomba fanatsarana ny fitantanana ny kaominina, dia nametra-pialana ara-pomba ofisialy amin’ny maha filohan’ny mpanolotsain’ny tanàna azy Rakotoarivelo Solofo Ginah. Araka ny nambarany, misy ny filoha sy ny filoha lefitra eo anivon’ny mpanolotsaina, nefa sahy manao sonia fampiantsoana fivoriana amin’ny maha samy Mapar (?) azy ny mpitondra teny faharoa eo anivon’izy ireo, tahaka ny nisy ny 6 febroary teo sy ny fivoriana nandaniana ny tetibola mahatratra 10 miliara ariary farany teo. Ao ihany koa, araka ny voalazany ihany, ny kolikoly be loatra amin’ny famarotana tsy manara-dalàna ny fananan’ny kaominina izay angalarana sonia biraon’ny mpanolotsaina, tahaka ny famarotana ny tany “Tanambao V” TF 641-BA mirefy 186,95m2 izay namidin’ny kaominina 560.000 ariary izay namidy 3.000 ariary ny m2, izay nolazaina fa ny fanapahana laharana faha-003 ny mpanolotsaina nefa tao anatin’io fanapahana io tena ara-dalàna dia tsy nisy afa-tsy ny fandaniana ny fanajariana toeram-pivarotana nataon’ny fikambanana FVFM eny amoron-dranomasina ihany no voalaza nasolo ireo tranohevan’ny orinasa Star. Ankoatra izay ny fitomboan’ny vola lany amin’ny solika izay nahatratra 450 tapitrisa ariary izany ny taona 2017 izay in-droa nampiana sy mahatratra 646 tapitrisa ariary izany amin’izao tetibola vaovao izao, nefa ny fako tsy afaka ny loto mitondra aretina eran’ny tanàna. Tsy vitan’izay ihany fa lasa bizina ny asa rehetra eo anivon’ny kaominina hatramin’ny fanaovana kopia ankehitriny dia efa misy ny fanakanan-dalana eo an-dalantsara ataon’ireo mpiasa maro be vao nampidirin’ireo ekipan’ny ben’ny tanàna sy ny Mapar arakaraka ny isan’ny mpiasa azon’ny tsirairay, hany ka anarany fotsiny ireo trano fitaratra tokony ho mpanao izany ara-dalàna. Efa nisy ny fandraisana andraikitra nataon’ny mpanolotsaina tamin’ny fampiatoana ny ben’ny tanàna noho ireo antony ireo, nefa nodian’ny fanjakana fanina noho ny kopaka isasahana sy ny fivadihana palitao nihofoan’ny ben’ny tanànan’i Toamasina Mapar ho lasa Hvm ankehitriny. Tantara mbola hitohy…

 


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT