Actualités

Futsal – Amboaran’i Afrika Nomontsanin’i Mozambika i Madagasikara


  • Alatsinainy 07 Desambra 2015

Resy an-tanŕna ny Barea fa nomontsanin’ny ekipa mozambikanina tamin’ny isa mavesatra 7-1 be izao omaly tamin’ny lalao mandroso fifanintsanan’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra lalaovina anaty efitrano (futsal), tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

 

 Lalao izay hiadiana ny tapakilan’ny dingan’ny famaranana hatao any Capetown Afrika atsimo (15-24 aprily). Efa nitarika tamin’ny isa 3-1 ny Mozambikanina teo am-pialan-tsasatra (11’, 12’, 14’). Nahatafiditra ny baolina tokana matin’ny Malagasy i Jasper (l’homme) teo amin’ny minitra fah-11. Nahazo “penalty” ihany ny Malagasy fa tsy matin’i Angelot ny baolina (18’). Mbola nanampy baolina efatra ny mozambikanina tamin’ny fidirana fah-2 (28, 31’, 37’, 38’). Tompomarika tamin’ny fampidiram-baolin’ny vahiny moa i Edson izay nahafaty roa, Manuel, Sacoor, Ziraldo, Ricardo ary i Mario. Mbola nahazo penalty roa ihany koa ny Malagasy tamin’ny fidirana fah-2 fa samy tsy nisy voatsaran’i Baggio (35’) sy Rojo, kapiteny (38’). Tombony ho an’ny Mozambikanina ny fanafainganana ny lalao sy ny firindran’ny fanafihana ary mafy ihany koa anefa izy ireo tamin’ny fiarovana. Hita ho nikoropadropaka kosa tamin’ny ankapobeny ny Barea ary tsy nahavita nandrafitra fanafihana loatra. Ny alahady 13 desambra no hanaovana ny lalao miverina any Maputo. Ny sabotsy 12 desambra vao maraina no hanainga ny delegasiona malagasy izay horafetina mpilalao folo sy mpitantana dimy.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT