Actualités

Front Patriotique Malagasy Tsy mbola mahaleotena tanteraka isika


  • Zoma 27 Martsa 2015

Tsy mbola mahaleotena tanteraka isika Malagasy ka mila mijoro mandray andraikitra hanongotra ny mpanjanatany sy ireo saribakoliny rehetra izay napetrany teo amin’ny fitondrana hatramin’izay, hoy ny «Front Patriotique Malagasy».

 

 Hita amin’ny fihetsika sy fitenin’ireo vahiny fa mbola azy ireo hatreto ny fanapahana eto Madagasikara. Mitohy ny fanenjehana sy ny famonoana ary ny fangadrana ireo Malagasy tena tia tanindrazana eto amin’ny taniny izay efa nahazo ireo mahery fo ana hetsiny maro tamin’ny taona 1947. Vavolombelon’ny tantara amin’izany koa ankehitriny ireo mpandraharaha Malagasy manandratra ny maha Malagasy izay nezahina nopotehina an-kolaka na mivantana. Mariky ny fahaleovantena sy ny fiandrianam-pirenena ny fananganana ny tafika Malagasy tamin’ny taona 1960 saingy nataon’ny mpitondra herim-pamoretana fotsiny ihany hiarovana ny tombontsoan’ny frantsay, hoy ny FPM. Maro ireo toe-javatra nampalahelo sy nahavaky fo nataon’ny mpanjanatany sy ireo Malagasy mpiray tsikombakomba aminy tao anatin’izay 68 taona nisian’ny hetsi-pitolomana ho fanoherana azy ireo izay. Mahaleotena marina i Madagasikara rehefa tonga eo amin’ny fitondrana ny firenena ny Malagasy tena tia tanindrazana, hoy ny «Front Patriotique Malagasy» amin’izao ankatoky ny fahatsiarovana ny 29 martsa 1947 izao.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT