Raha resaka Viva no nampirafitra ny mpitondra amin’izao nanakianana ny fitondrana teo aloha dia ny Fréquence Plus indray izao no lasibatra. Nampiantrano vahiny efatra ity onjampeo ity ny sabotsy antoandro tamin’ny12 ora 30mn.
Tokony ho tamin’ny roa ora mahery anefa dia nisy andian’olona niaraka amin’ny basy kalach tsirairay nanafika.Fiara 4x4 dimy no nitondra azy ireo. Nanao anjolofo nanapoaka basy izy ireo ary namotika ny varavarana miditra amin’ny onjampeo. Nihorohoro ny manodidina ary izay mijery dia voaambana basy daholo. Ilay mpanao gazety vavy izay nidina handeha hamoha ny varavarana no nifanena tamin’ireto olona ireto ka avy hatrany dia voan’ny vodi-basy sy totohondry ary dakadaka ilay fanaka malemy. Toy izany koa no nihatra tamin’ireo teknisianina roalahy izay nivonto handrina sy vaky loha voatoton’ny vodi-basy.
Ireo vahiny, Tonton Ambroise filoha nasionalin’ny antoko Front Républicain et Démocrate Légaliste (FRDL), ireo dokotera roa Joseph Randriamiandrisoa sy Harison Razafindrakoto, samy avy amin’ny ankolafy Zafy Albert koa dia voavelin’ny vodi-basy ka naratra mafy teo amin’ny lohan’izy ireo. Ny mpikambana HAT iray, izay filoha nasionalin’ny antoko Farimbona ho an’i Madagasikara Vaovao, Pierre Andrianantenaina, izay tao anatiny ihany koa dia tsy nisy nikitika. Potika avokoa moa ny fitaovana maro tao amin’ilay Studio toy ny ordinatera, table de mixage ary micro.
Araka ny fantatra dia mpiambina mpikambana iray ao amin’ny HAT ny sasany tamin’ireto olona niditra an-keriny tao amin’ny Fréquence Plus ireto. Ny sasany kosa dia avy amin’ny FIS. Ny lehiben’ireto farany dia nahavita niantso mihitsy ny tompon’ilay onjampeo nifandamina. Nanamarika anefa ity farany fa ny fitaovana no azy fa ny olona naratra dia anjaran’izy ireo ny mieritriritra. Ny fantatra moa dia nitory ny “Fréquence Plus”.
Ny kolonely Ravalomanana Richard omaly dia nilaza tamin’ny mpanao gazety fa mpitandro ny filaminana ireo teny amin’ny Fréquence Plus. Nilaza koa izy fa ny fisamborana an’i Tonton Ambroise izay efa nokarohina hatry ny ela no nahatonga izany. Nahagaga ny maro anefa fa tsy nisy taratasy milaza izany fisamborana izany avy amin’ny tribonaly nasehon’ity kolonely ity.
Fa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.