Actualités

Freddo sy Rakom – jiolahy voatifitra tao Toamasina Mifampiampanga ny FIP sy ny Fandraharahana ny fonja


  • Zoma 03 Septambra 2010

Anisan’ny voatonona tao anatin’ny resaky ny kaomiseran’ny FIP ny fandraharahana ny fonjaben’i Toamasina, izay voalaza fa “ireo jiolahy voatifitra tao Ambolomadinika ireo dia gadra nitsoaka sy mbola mamita sazy”.

Nampanantsoin’ny lehiben’ny faritra Atsinanana, Alain Mahavimbina amin’ny maha lehiben’ny OMC na (Organe Mixte de Concéption) azy ireo tomponandraikitry ny fandraharahana ny fonja ao Toamasina, nanontaniana sy nasainy nanazava ny tena fandehan’ity resaka “gadra nitsoaka sy mamita sazy maty voatifitra ity”. Nandritra ny fihaonana no nanazavan’ireo mpandraharaha ny fonja fa “sarotra izany mamoka voafonja ety ivelany izany, indrindra raha mbola jiolahy nahavita heloka bevava tahaka ireo jiolahy maty voatifitra ireto”. Nohazavain’izy ireo koa fa “misy fepetra mamaritra ny fahazoana mampiasa voafonja ivelan’ny fonja, eo ny fangatahana izay sehatrasam-panjakana ihany, mandalo komity mpisivana manokana izany, izay vao azo ampiharina”.

Raha ny lalàna mifehy izany, dia miisa dimy izy ireo no miasa ankehitriny ka ny farany laharana 153 nivoaka ny 2009. Tsy ny voafonja rehetra anefa no mahazo izany. Tsy mahazo miasa ivelan’ny fonja, ohatra, ny gadra nahavita heloka bevava rehetra, toy izany koa ny voafonja vehivavy ary ireo mbola miandry fitsarana. Fantatra koa anefa fa ny fitsarana, hopitaly be, biraon’ny zandary ary ny biraon’ny polisy no tena mpampiasa azy ireo. Manao izany koa ny faritra Atsinanana sy ny Kaominina indraindray amin’ny asa mafy sy maika mila olona maro manadio tanàna sy birao ary tranom-panjakana.

Iza marina no voatifitra ?
 
Nitondran’ireto mpandraharaha ny fonja nihaona tamin’i Alain Mahavimbina ireto fanazavana ihany koa, ny momba an’i Freddo sy Rakom. Voalohany dia momba an’i Freddo izay mbola velona soa aman-tsara ao Ambalatavoahangy ao, izay mifonja noho ny sazy azony tamin’ny fanafihana ny volan’ny Magro tao Tanamakoa, efa-taona lasa izay. Faharoa dia Rakom (Randriamanantena Marcel) izay voafonja nahavita ny saziny ara-dalàna ny 23 aogositra 2010, ilay famotsoran-keloka ny 26 jona teo no nanafohy ny saziny am-ponja. Ilay maty tao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be kosa anefa raha nojerena dia tsy Rakom nahavita ny saziny velively. Iza marina ary izany ireo Freddo sy Rakom voatifitry ny FIP ireto ? “Aminay mpandraharaha ny fonja, anarana tanimboanjo, ireo jiolahy koa mifankalala amin’ny anaram-bositra ka aminay dia tsy mitombina ny fanasoketana anay momba ireo jiolahy voatifitra ireo”. Ankoatr’izay dia, nohamafisin’ireo mpandraharaha ny fonja ireo fa izy ireo no tena mpitandro ny filaminana. “Mba azo eritreretina ve ny zavatra hisy eto amintsika raha ny fonja izany no vaky, na ampahany fotsiny aza ?”.
 
Atoa Alain Mahavimbina moa etsy ankilany tsapa ho tsy nahazoazo loatra ny fomba fiasan’ireo mpitandro ny filaminana ao anatin’izao “opération” izao, ka nolazainy fa “manimba ‘ambiance’. Samy miaro ny asany marina ny rehetra amin’ity raharaha filaminana ao Toamasina ity.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT