Actualités

Frantsay nanimbazimba Gasy Nahazo fahafahana vonjimaika


  • Sabotsy 31 Oktobra 2015

Nanazava ny zava-nisy mikasika ilay raharaha vazaha frantsay “mpanimbazimba” ny maha malagasy, sy “tsy refesi-mandidy” mampiasa ireo olom-pantany, ny kaomiseran’i Sainte Marie.

 


 

Raha ny fanazavan’ny kaomisera Lapely François dia ny 10 oktobra no niseho ny raharaha fitorahana fasika ity mpitaingina moto, izay nidonany tamin’ny hazo ary nisian’ny faharatrana taminy. Tsy naharay fitoriana ny polisy tany an-toerana, hoy hatrany izy, raha tsy ny taratasy avy amin’ny fampanoavana maniraka azy ireo hanokatra fanadihadiana sy hisambotra ity teratany frantsay mipetraka ao Sainte Marie ity. Nataon’ny polisy ny fanadihadiana ka izy kaomisera Lapely Francois mihitsy, araka ny nambarany, no nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny 19 oktobra, ny 20 oktobra nohenoin’ny polisy ilay mpitory araka ny taratasy avy amin’ny fampanoavana Toamasina, taorian’izay ny an’ireo vavolombelona, ary namarana azy ny 22 oktobra ilay vazaha frantsay izay nambarany fa nosamborina mihitsy niatrika izany. Mikasika ny famotsorana ilay vazaha frantsay taorian’ny fanadihadiana kosa dia fanapahan-kevitra manokana izany, satria tsy atahorana hitsoaka izy ary tao Sainte Marie hatrany hatramin’ny fiantsoana azy hiatrika ny fitsarana azy tao Toamasina omaly zoma. Raha niakatra fampanoavana ny raharaha dia namoaka didy savaranonando amin’ny fahazoan’ity vazaha frantsay ity fahafahana vonjimaika ny fitsarana. Ho an’ny kaomisera Lapely François dia tsy toe-tsaina ao Sainte Marie ny famonoana vazaha tahaka ny nitranga tany Nosy be ireny.

 


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT