Actualités

Frantsa


  • Alakamisy 27 Aogositra 2015

Hanao fitsidihana ofisialy any Frantsa ny praiminisitra Jean Ravelonarivo ny 30 aogositra ka hatramin’ny 6 septambra ho avy izao.

 


Memorandum
Anio alakamisy raha tsy misy indray ny fiovana no voatondro hanolorana ny filoham-pirenena ilay Memorandum nosoniavin’ny depiote teny Tsimbazaza, ka ho hita eo hoe firy marina ny sonia azo.Izy ity moa ily antontan-taratasy fifanarahana amin’ny fametrahana ny fitoniana.

Andohatapenaka
Nitrangana haintrano namoizana ain’olona iray, izay mbola zaza. Mbola tao anaty torimaso ny ankamaroan’ny tao an-trano tamin’ny fotoana nampiledaka ny afo. Ny trano rahateo vita amin’ny hazo. Ny manodidina no nifanome tanana namono ny afo.

Bakalôrea
Hifarana anio ny andiany faharoa amin’ny fanadinana Bakalôrea sokajy teknika. Hanomboka amin’ny herinandro ambony ny fitsarana ny antontan-taratasim-panadinan’izy ireo.

Sosiôlôjia
Mankalaza ny faha-40 taona nisiany ny lalampiofanana sôsiôlôjia na mpandinika ny fiarahamonina eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Nisy ny hetsika fanamarihana izany natao omaly teny Ankatso.

Fitarainana
Nahatratra 2122 ankehitriny ireo fitarainana voarain’ireo Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana omba ny fandikan-dalàna na tranga mampiahiahy nandritra ny fifidianana kaominaly ny 31 jolay lasa teo.

Antananarivo renivohitra
Ny sabotsy 12 septambra no hanambarana ny voka-pifidianana ofisialy ho an’ny kaominin’Antananarivo renivohitra ;hatreto aloha dia mivoaka ho mpandresy ny kandidan’ny TIM Lalao ravalomanana raha toa ka nametaka fitarainana miisa 87 kosa ary mangataka ny fanatsoahana an-daharana azy i Lalatiana Rakotondrazafy, tafiditra laharana faharoa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT