Actualités

Foulpointe Misy vazaha manandevo


  • Talata 07 Aprily 2015

Sady midaroka no manimbazimba Malagasy ! Vazaha no mahavanon-doza tao amina trano fandraisam-bahiny iray any Foulpointe ny sabotsy masina teo.

 

Tsy vitan’izay nivazavaza ilay vazaha fa mbola nandray vozon’akanjo sy nikasi-tanana mpiasa vavy ary nandidy ny handroahana tsy misy hatak’andro azy io. Niharan’ny tsy fahasalamana noho ny loza am-perinasa nihatra taminy, nianjeran’ny talantalana niaraka tamin’ny entana teo amboniny, ilay mpiasa vavy ka niera tamin’ilay vazaha mba hamonjy mpitsabo saingy tsy noraharahaina. Nihombo ny fanaintainana, ka tsy afaka namonjy fiasana ilay mpiasa noho ny tsy fahasalamany. Zoma ny andro tamin’io. Nampandre ireo lehibe mpifehy azy sy ny mpiara-miasa aminy ny anton’io tsy fahatongavany io izy na izany aza. Nony tonga tao am-piasana anefa ny sabotsy dia vavabe niaro tositosika no nitsenan’ilay vazaha azy niampy fandroahana avy hatrany. Nanamafy izany ireo mpiasa sy ny mpiambina, izay nanatri-maso ny zava-nitranga rehetra ary nilaza fa efa fanaon’io vazaha io ny manevateva sy manandevo mpiasa, ka mampitaraina azy ireo.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT