Noraisina vonjimaika ny Alatsinainy maraina teo ny fahavitan’ireo asa fanamboarana ilay «pont aérien», tetezana ambony lalamby sy ny lalana mamakivaky ary ny fefin’ny lalamby eny Dépot Analakininina ao Toamasina.
Tompon’antoka tamin’ny asa ny Madarail sy ny tetikasa Ambatovy, ka dia izao noraisina vonjimaika izao ny lalana sy ny tamboho eo anelanelan’ny cité Canada sy ny cité Vohitsara, ho fiarovana ny mponina hipetraka ao Dépôt Analakininina. Fantatra moa fa antony tsy maintsy nandraisana izao fepetra izao, ny ho fisian’ny lamasinina mitondra entana mavesatra hivezivezy isaky ny 15 minitra rehefa mihodina ny tetikasa Ambatovy. Raha taloha afaka nivezivezy tamin’ny toerana rehetra amin’ny faritry ny lalamby ny olona, dia amin’izao fotoana izao izany dia tsy maintsy hanaraka ny toromarika ahafahana miampita ny lalamby izy ireo mba ho fiarovana azy, isan’ny antony nananganana izao fotodrafitrasa lehibe izao izany dia ny : ny «passage à niveau» telo eo anelanelan’ny cité Canada. Lalana 2km sy 200 mifandray amin’ny “passerelle» sy ny «pont aérien» namboarina ahafahana mivezivezy.
Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fanentanana sy fampianarana ataon’ny eo anivon’ny Madarail ho an’ny mponina amin’ny fokontany Dépôt Analakininina iny, hampitana ireo fepetra fiarovana, manoloana ity fiovan’ny fomba fiasan’ny lalamby ity, ka tsy maintsy hanarahana ny toromarika rehetra omena. Misy koa ny takelaka mamintina ny tokony hatao. Raha ny lafiny fandriampahalemana kosa dia nisy koa ny fepetra noraisina, toy ny fametrahana jiro manazava ireo tetezana ambony lalamby, sy ny fiambenana. Ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa moa dia ao anatin’ny herintaona no nifanarahana tamin’ny orinasa Smatp izay nanao ny asa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.