Actualités

Fotodrafitrasa aorina maimaika Mamofompofona fanadiovam-bola


  • Alakamisy 06 Desambra 2012

Mbola ho avy ny fotoana hiverenan’ny ara-dalàna, hoy i Zafilahy Stanislas. Be dia be ireo tany nalaina amboletra, nambara fa fananam-panjakana, hoy izy kanefa dia manan-tompo ary misy taratasy milaza izany mazava.

 Araka ny fanazavan’ity filoha lefitry ny Kongresy avy amin’ny Faritanin’i Toamasina ity, dia famotsiam-bola no ao ambadik’ireny fotodrafitrasa aorina maimaika etsy sy eroa ireny. Vola maloto sy azo tsy tamin-drariny no nanaovana ireny hopitaly sy trano mora ireny, hoy i Zafilahy ka miantso ny SAMIFIN sy ny Bianco hijery akaiky izany. Nambaran’i Zafilahy Stanislas moa fa rehefa tafaverina eto an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana dia anisan’ny laharampahamehany ny fanarenana ny sosialin’ny mponina sy famerenana ny asa very, eo koa ny momba ny fampianarana sy ny fanabeazana. Araka ny fanazavany moa dia hisy fanapahan-kevitra goavana ato ho ato fa tsy afaka hiandry an-dRajoelina sy ireo mpiara-dia aminy satria efa tena potika ny firenena.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT