Actualités

Fosafosa facebook Nisintona ny fitoriany i Jaona Elite


  • Sabotsy 25 Febroary 2017

Taorian’ny dinika nifanaovan’ny fianakavian’i Hiary Rapanoelina sy ny solombavambahoaka Harijaona Randriarimalala na Jaona Elite afak’omaly, dia nisy ny valandresaka nataon’ny roa tonta, niampy ny eo anivon’ny sendikan’ny artista omaly.

 Nivoitra tamin’izany ny faneken’ny depioten’Antsimondrano Jaona Elite ny fanatsoahana ny fitoriany an’ity mpanakanto izay naiditra am-ponja vonjimaika noho ny resaka fanalam-baraka tao anaty tambajotram-pifandraisana fesiboky ity. Taorian'ny sendikan'ny artista dia nanaiky ny hanatsoaka ny fitoriana ny mpitory iray hafa, ary maniry ny tsy hanasoratan’ny fitsarana ny raharaha ny rehetra. Fantatra nandritra ny valandresaka nataon'ireo nitory sy ny fianakavian'i Hiary Rapanoelina ihany koa fa hakatona ao anatin'ny fotoana fohy ilay vondrona fesiboky niteraka ny olana rehetra. Azo lazaina ho efa tsy misy intsony izany ny fanenjehana avy amin’ireo olona sokajiana ho lasibatra tamin’ity raharaha ity, izay niatrika ny valandresaka omaly ny ankamaroany toa an-dry Princio, Melky, Rossy, Lalatiana Rakotondrazafy ... Masi-mandidy amin’ny fanapahan-keviny kosa anefa ny fitsarana ka hiarahan’ny rehetra mahita eo izay didy hivoaka ny 28 febroary, satria amin’io daty io no fotoana voatoandro hamoahan’ny fampanoavana ny didy mikasika iny raharaha iny.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT