Tafiditra ao anatin’ny politikam-panabeazana fanoroan-dalana ireo tanora ao amin’ny fikambanana «SOS Villages d’Enfants» eto Madagasikara ny «forum de métiers» hatramin’ny taona 2004
. Fihaonambe izy io natao hifanakalozana sy hakan-kevitra avy amin’ireo matihanina tompon’orinasa manodidina ny 20 sy ireo tompon’andraikitra mpitantana ivon-toeram-piofanana samihafa mikasika ireo karazan’asa misy eto Madagasikara. Nanohana ny hetsika ihany koa ny orinasa DHL Madagascar rehefa tonga mpiara-miombon’antoka tamin’ilay tetikasa «Go Teach» ny roa tonta nanomboka tamin’ny taona 2010. Tanjona iombonana ho azy ireo ny fanampiana ny tanora Malagasy hanana ho avy mendrika eo amin’ny lafiny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy. Mampisongadina lohahevitra iray hatrany ny hetsika hatramin’ny taona 2011. Navoitra tamin’ity taona 2015 ity ny «Kolontsainan’ny fananganana orinasa amin’ny famatsiambola miainga avy amin’ny isam-batan’olona». Manamarika ny fandaharam-potoana mandritra ny 3 andro eny Andrainarivo ny famelabelarana arahina adihevitra, fampirantiana sy torolalana momba ny tontolon’ny asa ary ny fahafahan’ny daholobe mahafantatra misimisy kokoa ny sehatry ny hairaha avo lenta ao amin’ny «Fablab Solidaires Mamiratra».
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.