Efatra no maty, dimy no naratra ary fito kosa no voasambotra. Izay no vokatry ny fanafihan’ny Emmo-Reg sy ny FIS ny hery vonjy taitra FIGN tetsy Fort-Duschčne omaly. Nanomboka tamin’ny 11 ora latsaka kely ny fifampitirana ary tsy nitsahatra raha tsy tany amin’ny fito ora hariva tany.
Raha araka ny fantatra dia mpitandro ny filaminana avokoa ny telo tamin’ireo namoy ny ainy. Ny iray olon’ny FIS, ny iray FIGN ary ny fahatelo kosa miaramila mitondra ny galona Sergent. Lehilahy lehibe 65 taona koa no namoy ny ainy teny amin’ny HJRA, voatifitra teo amin’ny kibony. Ireo naratra kosa dia pasitera ny roa raha sivily tsotra ny telo ambiny. Niainga tamin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana aloha ny raharaha. Niezaka ny nandrava izany ny Jeneraly Zafera tamin’ny sivy ora maraina tany ho any saingy nolavin’ireo olona. Niala izy taorian’izay ary narovan’ny FIGN hafa ireo mpitondra fivavahana ireo. Nitohy arak’izany ny fotoam-pivavahana izay voatery najanona rehefa tonga ny Emmo-Reg tamin’ny 11 ora latsaka. Nanafika avy hatrany ireo ary nifampitifitra nandritry ny ora iray mahery izay tafiakatra teo amin’ny Mausolée ireo. Ireo FIGN kosa dia niery tao amin’ny tobin’izy ireo ary tsy nivoaka tao intsony, niaraka tamin’ireo mpitondra fivavahana. Tsy nijanona teo ny raharaha fa mbola naka ny toby hatrany ny Emmo-Reg izay sady nisy FIS no nisy GSIS no nisy pôlisy ihany koa. Nitohy ary ny fifampitifirana izay nihamafy hatrany. Tamin’ny dimy ora mahery no tena namaivay izany rehefa nampiasa «mortier» sy «lance-rocket» ny Emmo-Reg. Ireo tao anatiny ihany koa tsy nanaiky fa namaly tifitra hatrany. Raha araka ny nambaran’ny lehiben’ny CIRGN, ny Kolonely Richard Ravalomanana dia nanolo-batana ny Lietnà-Kolonely Andrianjafy Raymond tao anatin’io saingy tsy navelan’ireo olony. Voatery nitohy arak’izany ny fihazàna azy ireo.
Tsy nihemotra intsony ny Emmo-Reg ary tafiditra tao anaty toby tamin’ny enina ora sy sasany hariva. Iray no lavo tamin’ny zandarin’ny FIGN. Tafatsoaka kosa ireo namany hafa izany eo amin’ny 15 eo no isany raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Emmo-Reg. Isan’izany ny Kolonely Raymond Andrianjafy. Toa tetika efa voaomana ihany ny an’izy ireo. Noesoriny mantsy ny fanamiana miaramila dia novaina fanamiana sivily. Najanona ihany koa ny ankamaroan’ny basy ary taorian’izay dia nitsoaka nihazo an’Andrainarivo sy Antsahameva izy ireo ary tsy hita aloha hatramin’ny fotoana nanoratanay farany. Manoloana an’izany dia nandray fepetra avy hatrany ny Emmo-Reg ny nisava ny trano teo amin’ny manodidina. Raha tsiahivina dia afak’omaly alina no nisy didy hitondràna avy hatrany an’i Kolonely Raymond eny amin’ny tribonaly. Efa nivadika didy fampisamborana izany omaly raha vao nitranga ny fifampitifirana teo amin’ny olony sy ny Emmo-Reg. Karohina izany ny tenany manomboka omaly. Miaraka amin’ireo miaramila izay 15 raha kely indrindra ary 20 raha be indrindra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.