Actualités

« Formateurs » CRINFP Ampifilafilaina ny valin-kasasarany


  • Zoma 30 Martsa 2018

Nafanafana tetsy amin’ny INFP Mahamasina ny harivan’ny alarobia 28 martsa teo.

 

Tonga teny an-toerana rehefa avy nahatontosa ny asa aman’andraikitra nankinina taminy izy 88 mianadahy avy amin’ireo toeram-panofanana mpampianatra na CRINFP manerana ny Nosy, dia ny fitsarana ny taratasim-panadinan’ireo ho mpampianatra eny amin’ny ambaratonga fototra, izay fanadinana natao tamin’ny desambra 2017. Nihiboka nandritra ny folo andro, nanomboka tamin’ny 19 martsa, teny Benasandratra ireto formateurs CRINFP ireto, tsy navela hifandray tamin’ny fianakaviany, niaritra olana maro samihafa tamin’ny sakafo sy fiantranoana, saingy nony tonga tetsy Mahamasina dia tsy nahazo tambin-kasasarana nantenaina fa hoe : nisy olana tamin’ny rindrambaiko na logiciel SIGFP (Système Intégré de Gestion des Finances Publiques) fikarakarana izany. « Maninona izahay no ampifilafilaina lava toy izao ? », hoy ireto mpampiofana  avy eny amin’ny CRINFP any amin’ny faritra ireto. Naverina teny Benasandratra ary nomena vatsy 10.000 Ariary isan’olona izy ireo io alarobia io, taorian’ny fandaminana ary nampiandrasina hatramin’ny anio zoma izy ireo hanomezana io valin-kasasarana io.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT