Actualités

Force One II Nomena laharana vaovao


  • Alatsinainy 19 Novambra 2012

Misoko mangina ny famafana anaran’ny Force One II amin’ny fananan’i Madagasikara.

 Re izao fa dia efa nomena laharana vaovao ity Boeing 737-700 raitra, fitondrana filoham-pirenena ity ka N887-OLS izany ankehitriny raha 5R-5RP. Efa nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra tamin’ny septambra 2012 teo moa, fa misy orinasa frantsay nanao tolotra 24,5 tapitrisa dolara hividianana azy io. Tapaka tamin’io filankevitry ny minisitra io fa hisy komity iraisan’ny ministera hatsangana handinika io tolotra io. Tsy re be tsy re kely intsony na nijoro io komity io na tsia, mainka moa hoe inona ny asa nataony mikasika io varotra Force One II. Fa loharanom-baovao hafa no andrenesana fa izany orinasa Antaris Aviation izany no anarana ao ambadik’ity raharaha ity. Mbola ao Ivato aloha hatreto ny Force One II na efa nanao sidina andrana aza ity Boeing 737-700 ity ny herinandro lasa teo. Tsy mbola niova ihany koa ny lokony.

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT