Telo taona nitadiavana mpividy, izao vao re fa hoe hisy handray ihany ilay fiaramanidina manokana fitondrana ny filoham-pirenena Malagasy, fantatra amin’ny anarany hoe “Force One II”.
Koa satria tsy misy filoham-pirenena voafidim-bahoaka ara-dalàna eto Madagasikara fa mpitondra tonga avy amin’ny fanonganam-panjakana dia ny nivarotra an’io fitaovana, izay nanafaingana sy nanamora ny asan’ny filoha io no nataon’ireo tonga tamin-kery teo amin’ny fitondrana. Nisy mpanontany saingy tsy nisy mpividy ilay “Force One II”, izay fiaramanidina raitra mamaly ny filana amin’izao andron’ny teknôlôjia izao. Araka ny loharanom-baovao dia natao varoboba ny fivarotana azy ity, ka orinasa frantsay izany no mikasa hividy azy ka 24 tapitrisa dolara eo no sahiny. Toa tapa-kevitra ny handefa azy ny FAT fa hoe ngaha raha tara ity volana oktobra ity indray dia mety mihena antsasany any io vidy io. Dia izay izany ! 60 tapitrisa dolara tany no nividianan’ny fitondrana Ravalomanana ny “Force One II”. Fanakianana nivaivay avy amin’ny mpanohitra no setriny taorian’ny nahazoana azy io, fa hoe nampifangaro ny volam-panjakana sy ny volan’ny orinasany Atoa Marc Ravalomanana tamin’ny nividianana azy io, ka tsy mazava.
Nentina teny an-kianjan’ny 13 mey io, ary anisany nanonganana an-dRavalo. Teny an-kianja ihany koa dia efa natao ny doka fa hamidy hividianana PPN na zavatra ilain’ny mponina andavanandro io “Force One II” io. Dia ho hita eo raha handeha amin’izay ny vola raha lafo tokoa. Asa koa moa na fifanandrifian-javatra fa taorian’ny nilazan-dRajoelina fa hividy helikôptera mahazaka olona maromaro hampiasain’ny tafika hanenjehana dahalo no miseho tampoka ity hoe misy orinasa frantsay hividy ny “Force One II” ity. Sao mba hatakalo helikôptera kosa ary no marimarina kokoa, fa nosandaina fotsiny ka hoe 24 tapitrisa dolara no vidiny ? Zavatra efa tsy nety lafo nandritra ny telo taona rahateo ve ho lafo vetivety eo. Any Frantsa rahateo no nambaran-dRajoelina fa hividianana ilay helikôptera, ary hisy iraka avy amin’ny miaramila halefa any hijery ilay angidimby. Ka raha izay takalo na “reprise” izay tokoa no mitranga dia tonga amin’ny fitenenana hoe : foza lahy atakalo foza vavy e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.