Actualités

Force One II Izay vao “bye bye”


  • Alarobia 07 Novambra 2012

Misoko mangina ny fikitikitihana ilay fiaramanidina “boeing” manokana mitondra ny fanevan’ny Repoblikan’i Madagasikara, fitondrana ny filoham-pirenena Malagasy amin’izay dia ataony na eto anatiny na any ivelany.

 Nomena anarana “Air Force One” ilay izy. Tamin’ny fitondrana Ravalomanana no nividianana azy, izay efa faharoa satria ny voalohany dia efa natolotra hampiasain’ny kaompania fitaterana Air Madagascar. Nihazakazahan’ny mpitondra ny tetezamita hamidy izy io nony tonga teo amin’ny fitondrana izy ireo, taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009, fa hoe hividianana sakafo ho an’ny Malagasy (?). Tamin’io 2009 koa no nisidina farany ilay “Force One 2” ary tsy nety lafo, hany ka voatery atao varoboba. Tamin’ny filankevitry ny minisitra farany niresahana azy ity, ny 03 oktobra 2012, dia nivoaka ny feo fa 24 tapitrisa dolara no sahin’ny mpividy (frantsay) azy io ary dia hisy komity iraisan’ny ministera hatsangana handinika ny momba io tolotra io. Ny fanontaniana mipetraka eto dia ny hoe nijoro tokoa ve io komity io ? Ny zava-misy mantsy dia misy vazaha dimy misy Frantsay ary misy Anglisy, taterin’ireny fiaran’ny fiadidiana ny tetezamita ireny tonga mitsirika sy mikitikitika ny “Force One” eny Ivato eny, tato anatin’ny roa herinandro teo izay. Raha ny vaovao re omaly aza dia hoe : hiroso amin’ny sidina andrana ity fiaramanidina vitsy mpanana maneran-tany sady manaraka ny teknôlôjia ity amin’ity anio ity. Mety ho sidina andrana sady “bye bye” anefa, araka ny loharanom-baovao hafa.

Alarobia tsy miverina rahateo ity andro ity raha ny alimanaka gasy. Vazaha nohafaran’ny Gasy ary ve ireto sa ny mpividy no nandefa azy ireo aty ? Raha ny mpividy, maninona no ireny fiaran’ny fiaran’ny fiadidiana ny tetezamita ireny no itondrana azy ireo ? Iza no nanakarama azy ireo, ary maninona ny teknisianina gasy no nailika tsy hikitikitika ? Hamidy fatiantoka ny “Force One 2”. 60 tapitrisa dolara mantsy no nividianana azy io tamin’ny 2008, raha 24 tapitrisa dolara no handafosana azy, raha raikitra tokoa.

Mitohy, araka izany, ny fanaovana varoboba mba tsy hilazana fa fanaovana tantely afa-drakotra ny fananam-panjakana. Naleon’ny mpitondra mivaro-pananana dia nanofa «jet privé», inona no antony ? Asa koa moa na fifanandrifian-javatra fa taorian’ny nilazan-dRajoelina fa hividy helikôptera mahazaka olona maromaro hampiasain’ny miaramila hanenjehana dahalo no miseho tampoka ity hoe misy orinasa frantsay hividy ny “Force One II” ity. Sao mba hatakalo helikôptera kosa ary no marimarina kokoa, fa nosandaina fotsiny ka hoe 24 tapitrisa dolara no vidiny ? Zavatra efa tsy nety lafo nandritra ny telo taona rahateo ve ho lafo vetivety eo. Any Frantsa rahateo no nambaran-dRajoelina fa hividianana ilay helikôptera, ary hisy iraka avy amin’ny miaramila halefa any hijery izany any. Ka raha izay takalo na “reprise” izay tokoa no mitranga dia tonga amin’ny fitenenana hoe : foza lahy atakalo foza vavy e !

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT