Actualités

Foloalindahy Tsy mandrimandry amin’ny ankapobeny


  • Talata 30 Novambra 2010


Nandeha be ny resaka omaly fa hohadihadiana ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny tafika malagasy, ny jeneraly Ndriarijaona André. Noho ny raharaha BANI no fantatra fa anton’izany. Voalaza mantsy fa anisan’ireo voatonona tamin’iny resaka iny ity tompon’andraikitra ity. Rehefa narahina akaiky anefa ity feo niely omaly ity dia tsy mbola voaporofo ny fisiany. Ny tsikaritra teny anivon’ireo toby miaramila dia toa milamindamin-dratsy izany. Ny sasany tamin’ireo miaramila aza toa te haneho hevitra kanefa tsy sahy indray rehefa tena fotorona akaiky. Ny teny niraisan’ny miaramila vitsivitsy dia hoe : mbola ho avy ny andro hitenenan’izy ireo. Ankoatra izay dia voalaza fa nandeha koa ny feo fa nisy fitakiana vaovao izany indray nitranga teny anivon’ny toby BANI Ivato omaly. Tsy fantatra moa izay marina mikasika io resaka io indray, fa ny tsikaritra dia toa tahaka ny tsy mandrimandry izany ireo miaramila amin’ny ankapobeny. Ho hita eo ny tohin’izany rehetra izany fa efa nisafidy ny hampiasa hery amin’izay manohitra azy ny FAT. 

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT