Fanakorontanana ny saim-bahoaka sy miaramila tsotra izao, raha ny fanambaran’ny avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena,
no ataon’ireo olona na vondron’olona izay mitonona ho vondron’ny « manamboninahitra zandriny » eo anivon’ny foloalindahy. Araka ny fanazavana, mikendry ny hisian’ny savorovoro eo amin’ny fiarahamonina ireto mpisoloky ireto satria dia anisan’ny zava-boalazany ny hoe « handray ny fitondrana ». Tsy misy ary tsy olona ao anatin’ny Foloalindahy Malagasy (Zandarimariam-pirenena sy Tafika Malagasy) velively ireo izay nanely ireny taratasy ireny, hoy ny fanambaran’ny zandarimaria, fa tetika maty paika nentina hampizarazarana ireo samy miaramila ary nentina ihany koa hampisamatsamahana sy hanakorontanana ny sain’izy ireo. Manantitra ho an’ny zandary tsirairay manerana ny nosy, araka izany ny fiadidiana ny zandarimariam-pirenena fa tokana ihany ny fibaikoana azy ireo ka entanina mba tsy hisy ny voafitaka. Antony nahatonga izao fanamarihana izao moa ny fisiana vaovao niely, izay toa miendrika tsaho ihany, nilaza fa nisy fivoriana niarahana manamboninahitra sy ny filohan'ny fivondronan'ny manamboninahitra zandriny natao teny Ambohimangakely nandinihana ny toe-draharaham-pirenena.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.