Ohatra ratsy mivaingana tamin’ny fandraisan’anjara mivantana nataon’ny foloalindahy Malagasy nanapotika ny firenena ny fanonganam-panjakana ny zava-nitranga tamin’ny taona 2009
. Nisongadina io tamin’ny atrikasa momba ny fametrahana fandriampahalemana eto Madagasikara natomboka teny amin’ny DLC Anosy. Anisan’ny tanjona lehibe moa ny fitadiavam-bahaolana fisorohana ny fanalana mpitondra fanjakana voafidim-bahoaka amin’ny alalan’ny fampiasan-kery avy amin’ireo mpiasam-bahoaka manao fanamiana. Iray amin’izy ireny ny famerenana an-dakazerina ireo zandary sy miaramila tsy hisahana ny filaminana mandritra ny fisian’ny hetsika politika. Hamafisina kosa ny fahafahan’ny polisim-pirenena miahy ny fandriampahalemana manerana ny renivohi-paritany sy ny fampandraisana andraikitra ny sivily eo amin’ity sehatry ny filaminana ity. Hitohy amin’ny fakana ny hevitry ny olom-pirenena eny anivon’ireo faritra manerana ny Nosy moa izany mialoha ny fandrafetana ny paikady maharitra fiahiana ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.