Malaza tato anatin’ny herinandro vitsy izao ny resaka ady tany sy fibodoana tanin’olona. Tranga iray mitovitovy amin’izay ihany koa no miseho eny Ankarongana, fokontany Avaratsena, kaominina Ambohidrapeto.
Ny mampiavaka azy dia ireo foknolona indray no mitaraina noho ny tetikasan’olona iray izay mikasa hanapaka tanteraka ny lalana mihazo ny toeram-ponenan’izy ireo. Raha ny fanazavan-dRandrianatoandro René, “quartier mobile” ao Ankarongana dia hanangana trano lehibe eo amin’ny tany vao novidiany ity olona iray ity ka ny famefena ny lalana no hataony voalohany. Toherin’ny fokonolona anefa izany satria tsy manara-dalàna. «Araka ny lalàna dia tsy maintsy manome lalana avokoa ny tompontany rehetra saingy tsy vitan’izay ity raharaha ity fa mbola mitady haka ny tany izay tsy azy akory ry zareo ireo satria na ny lalana iray metatra nomen-dRtoa Sofia, izay nomeny hatao ho lalan’ny vahoaka efa hatramin’ny taona 1976 aza dia tadiaviana tapenana ihany koa”, hoy ny fanazavan-dRandrianatoandro René. Mifanolo-bodirindrina moa ny tanin-dRtoa Sofia sy ity tany miteraka savorovoro eny Avaratsena ity.
Ny zoma 24 jolay lasa teo dia nisy ny fihaonan’ilay rangahy izay voalaza fa «Inspecteur d’etat» sy ireo fokonolona hamahana ny olana saingy tsy nahita marimaritra iraisana ny roa tonta. Raha ny fitantaran’ny mponina ihany dia nisy ny vavabe navoakan’ity milaza azy ho tomponandraiki-panjakana ambony ity. Nanaiky hanome ampahantany mirefy 80 sm ihany anefa ity farany rehefa nentina teny anivon’ny fokontany ny raharaha saingy takiany kosa ny hanangan’ny mponina ny tambohony izay mirefy 150 m metatra eo ho eo ny halavany. Nolavin’ny fokonolona ihany koa izany. Niverina teny anivon’ny fokontany indray ny roa tonta omaly tolakandro ary niezaka naka ny hevitr’ingahy inspektera ny gazety Tia Tanindrazana saingy milaza ho tsy manan-kambara ny tenany. Ny fokonolona dia milaza fa tsy hilefitra mihitsy amin’ny zony indrindra moa fa tsy misy lalana hafa hidirana na hivoahana ny faritra misy azy ireo afa-tsy amin’io tany miteraka fifanolanana io. Fianakaviana 20 tafo eo ho eo no tsy tafavoaka ny misy azy raha sanatria tampina tanteraka ny lalana satria voahodidina tanimbary, fefiloha ary honahona ny toerana misy azy ireo raha avy aty ambany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.