Actualités

Fokontany Tsaramandroso ambony Zazalahy 9 taona maty novonoin’ny mpifoka rongony


  • Alatsinainy 15 Jona 2015

Tsy nananan’ilay mpifoko rongony antra mihitsy ity zazalahy 9 taona ity raha nilalao baolina teo akaikin’ny toerana fifohan’ireto zatovolahy ireto io zava-mahadomelina io. Sendra nipitika teny amin’ireto mpifoko rongony ireto ilay baolina ka dia niakatra ny hatezerana izay niafara tamin’ny fikasihan-tanana ka nitarika ny fahafatesan’ilay zazalahy kely

 

 

. Vokany, potika ny tratran’ilay zaza noho ny daroka nahazo azy ary feno ra koa ny tarehiny. Tsy sahy namonjy ireo olona manodidina satria dia nitambaran’ireo namany izay niara-nifoka rongony taminy. Maty tsy tra-drano ilay zaza na dia tsy mbola tonga teny amin’ny hopitaly aza. Tsy hitan’ireo ray aman-dreniny ny atao fa dia niantso ny mpitandro ny filaminana. Nosamborina izy telo lahy ny zoma hariva teo. Raha ny fantatra dia saika tsy ampy taona ireo zazalahy mpifoko rongony ireo ary mpianatra amin’ny sekolim-pinoana ao Mahajanga. Hatolotra ny fitsarana anio alatsinainy ao Mahajanga izy ireo.

 

Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT