Tafaverina an-tanindrazana avy nanatanteraka asa “Bénévolat”nandritra ny tapa-bolana tany Kimpeeley any Frantsa misy ny foibe toeran’ny fikambanana Mada Braizh tarihan’i Guy Doville ny depiote Randrianantenaina José izay solontenany eto Madagasikara
ka nitondra ny tsirambin’ny tanana ka nanolotra fitaovana nitentina 8.781.000 ariary ho an’ny EPP ao amin’ny fokontany Tsarahasina kaominina Belazao any Antsirabe faha-II nentina nanamboarana “bloc sanitaire” tao amin’io sekoly io ny sabotsy 03 martsa lasa teo. Nomarihan’ny depiote José fa tsy vao sambany no nisy fanampiana nomen’ity fikambanana misy azy ity tao amin’ny distrikan’Antsirabe faharoa fa efa nisy ihany koa tany aloha tany fanampiana nitentina 400 tapitrisa ariary ka anisan’ny nahazo tamin’izany ny Lycée Tsarahasina, ny Ceg Belazao. Ny fanatsarana ny Lycée Sahanivotry Tsarahonenana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.