Taorian’ireo trano 20 isa efa noravana tetsy amin’ny fokontany Soanierana III I dia fantatra fa niampy efatra vaovao indray izany omaly talata
. Nitombo 100 mahery ireo traboina izay marihina fa efa natory teo an-tokotany niaraka tamin’ny entany nanomboka ny alatsinainy hariva teo. Mbola nambenana mpitandro ny filaminana hatrany ireo tompon-trano nandritra ny fandravana omaly. Olona roa no voatoton’ny vodibasy ny alatsinainy teo, anisan’izany ilay renim-pianakaviana iray vao tera-bao. Tsy mahazo miteny mantsy izahay na mamaly, hoy Ramatoa Claire anisan’ireo Raiamandrenibe ao amin’ity tanàna ity fa tsy maintsy manaraka ny sitrapon’izy ireo mandra-pialanay eto. Nambarany ihany koa fa manana taratasy ara-dalàna izy ireo satria efa 46 taona nanajariana io tanàna io niaraka tamin’ny iray tampoho aminy. Nilaza anefa ilay karana tompona orinasa iray eto amin’ny manodidina fa azy ny tany ary namidiny tamina teratany Sinoa ka ireto farany no nandroaka anay. Tsiahivina fa 48 ora no nomen’ny vadintany ireto fianakaviana 24 tafo mba hialany nanomboka ny zoma teo saingy tsy mbola nisy nahita toerana hifindrana izy ireo na dia iray aza.
Patty
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.