Anisan’ny misedra olana amina resaka fotodrafitrasa ny fokontany Nanisana Iadimbola na dia mbola ao anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra aza
. Lohalaharana amin’izany ny lalankely ao anatin’ireo faritra dimy izay fantatra fa nandratra ireo mponina tao aminy mihitsy hatramin’izay. Havadika hatao rarivato ireo lalana ireo, araka ny fanazavan’Andriamandimbisoa Fanomezana, lefitry ny sefom-pokontany ao an-toerana. Eo am-panamboarana ny taratasy fangatahana eo anivon’ny kaominina sy ny distrika izy ireo amin’izao fotoana izao, mialoha ny asa fanamboarana. Ankoatra izay dia anisan’ny mbola tena mampijaly ireo mponina ao anatin’ity fokontany iray ity ihany koa ny rano fisotro madio. Hiezaka hitady famatsiam-bola ho amin’izany ihany koa ny fokontany ka tanjona ny iadiana amin’ireo aretina ateraky ny fampiasana sy fisotroana rano tsy ara-pahasalamana. Marihina moa fa miisa 11 monja ireo paompin-drano fisotro madio ao amin’ity fokontany iray ity izay mamatsy ireo mponina miisa 197.740.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.