Actualités

Fokontany Mandalotsimaka Ambohijanaka Namboarina ny lalana


  • Alatsinainy 08 Jona 2015

Anisan'ny kaominina misedra olana amin'ny haratsian'ny lalana ny kaominina Ambohijanaka ao anatin'ny distrikan'Antananarivo Atsimondrano. Saika ireo tantsaha mpamokatra ao aminy avokoa anefa no mamatsy legioma

 

an'Antananarivo sy ny manodidina, antony nanosika an-dRamamonjy Alain kandida ben'ny tanàna ao an-toerana hanao asa fanamboaran-dalana maimaimpoana. Tao amin'ny fokontany Mandalotsimaka no nisantarany izany ny faran'ny herinandro teo ka lalana mirefy 2 km no hasiam-panamboarana. Nohalamaina fotsiny aloha ilay lalana efa feno kitoantoana teo aloha raha kasaina hatao rarivato atsy ho atsy. Tanjon'ity kandida iray ity ny hahafahan'ireo tantsaha mpamokatra mamoaka ny vokany, ezaka efa nataony tany amin'ireo fokontany hafa ihany koa. Marihina moa fa ankoatra ny asa fanamboaran-dalana tahaka izao dia mijery akaiky ny ara-tsosialin'ireo mponina ao Ambohijanaka Ramamonjy Alain.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT