Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny sabotsy teo, araka ny vaovao azo, ny filohan’ny fokontany Anosizato Atsinanana II teo aloha,
rehefa avy natao famotorana teny amin’ny biraon’ny zandarimariam-pirenena eny Anosizato ary natolotra ireo mpitsara mpanao famotorona. Fisolokiana no vesatra hiampangana azy. Rahampitso alarobia ihany dia hiakatra fitsarana ny raharaha. Ankoatra izay, fantatra fa niakatra teo anivon’ny fampanoavana omaly ihany koa ny raharaha HAFARI Malagasy tarihin’ny filoha nasionaliny Rafanomezantsoa Jean Nirina. Nivadika tanteraka ny rasa satria ny filohan’ny HAFARI Malagasy indray no nipetraka teo amin’ny toeran’ny mpitory ka anisan’ny notoriany ireo olona nitory azy hatramin’izay. Olona ambony maro samihafa eto amin’ny firenena no fantatra fa tafiditra ao anatin’izany. Andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha. Mbola mitohy kosa ny fitsaboan-tena eny amin’ny hopitaly ho an-dRafanomezantsoa Jean Nirina manokana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.