Mbola betsaka ireo fianakaviana tena sahirana ao amin’ny fokontany Ambohitsoa, Boriborintany faharoa.
Manodidina ny 600 ireo tena voasokajy ho marefo, hoy ny sefom-pokontany, antony tsy maintsy hanaovan’izy ireo hetsika fanampiana isaky ny faran’ny taona na taona vaovao tahaka izao. Ho an’ny vehivavy manokana dia miisa 6.235 izy ireo no miaina sy mivelona eo anivon’ny fokontany ka ny 35 %-n’izy ireo dia mpanasa lamba avokoa. Mba ho fanampiana azy ireo amin’ny famelomana ny ankohonany dia tonga nanolotra fitaovana maro samihafa ho azy ireo toy ny koveta sy ny sceau omaly ny Tanora HVM, lanonana notanterahina teo amin’ny toeram-panasan-damba. Nambaran-dRazafimandimby Rija, sekretera jeneralin’ny fikambanana fa miainga avy amin’ny isan-tokantrano ny fampandrosoana ny firenena ka tsy azo jerem-potsiny izy ireny fa tsy maintsy tohanana. Asa masina ny asa fanasan-damba satria misehatra ao anatin’ny fahadiovana ary mampita izany amin’ireo menaky ny ainy. Mbola hitohy any amin’ny Boriborintany fahadimy ny hetsika amin’ny herinandro ho avy io.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.