Actualités

Fokontany Amboasarikely Antsahavola Nahazo toeram-pidiovana sy fanasana lamba vaovao


  • Alarobia 16 Mey 2018

Omaly talata 15 mey no natolotry ny minisitry ny rano, ny angovo ary ny akoran’afo, Lantoniaina Rasoloelison, tamin’ny fomba ofisialy ny toeram-pidiovana sy fanasana lamba vaovao ho an’ny mponin’Amboasarikely Antsahavola.

 

 Tafiditra ao amin’ilay fanatanterahana ny tanjona faha-6 amin’ny fampandrosoana lovain-jafy ity fotodrafitrasa ity. Tanjona ny hampiakatra 80% ny fananana rano fisotro madio mba ho salama sy tomady ny mponina. Mbola maro ny tokantrano tsy manana toeram-pivoahana sy toeram-pidiovana kanefa izany no antoky ny fahasalamana, hoy Andriamatoa minisitra. Iaraha-mahalala ihany koa fa maro ny biraom-panjakana, banky ary ny hotely fandraisam-bahiny izay mampandroso ny toekarena amin’iny toerana iny ka izany ihany koa no antony nanaovana izao fotodrafitrasa izao. Ahitana efitra fidiovana miisa 3, toeram-pivoahana 4, paompy miisa 8 ary rihana iray ity fotodrafitrasa ity.137 tapitrisa Ariary ny vola natontona tamin’ny fananganana izao toerana vaovao izao ary vehivavy misehatra amin’ny fanasana lamba miisa 150 ao amin’io fokontany io no hisitraka sy hahazo tombony manomboka izao. Ankoatra izay, mbola nizarana savony, siny ary koveta ireo vehivavy ireo

 

Tsiry

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

Hijery ny tohiny
FTT