Actualités

Fokonolona ao Amorona Manamafy ny fefiloha hiarovana ny voka-bary


  • Sabotsy 24 Oktobra 2015

Mitohy ny asa sosialy fanampiana ireo mponina ao amin’ny boriborintany faha-6 tanterahan’ny solombavambahoakan’i Madagasikara Rasoanoromalala Horace.

  

 

 

Nifanome tanana tamin-dramatoa depiote tamin’ny fanaronana ireo lakandrano simba mirefy 500 metatra izay namoizana ain’olona 2 tao amin’ny fokontany Anosivavaka, ohatra, ny teo anivon’ny faritra Analamanga. Nifanindran-dalana sy tontosa niaraka tamin’izay koa ny asa fanamboarana ny fivoahan-drano eo ambonin’ny lakandrano Soam izay mandifotra hatrany ireo tanàna manodidina. Nanentana ireo fokonolona tantsaha mpamboly eny amin’ny manodidina an’i Amorona ihany koa ny depioten’Ambohimanarina ka am-periny amin’izao fotoana izao ny fanamafisana ny fefiloha hisorohana ny fibosesiky ny rano eny an-toerana izay mazàna mandrendrika ireo voka-bary. Fitaovana ampiasaina amin’izy io ny kitapo feno fasika miaraka amin’ny hazo boribory. Hifarana amin’io herinandro io moa ny asa rehetra ka hitondra ny anjara birikiny amin’io ezaky ny fiarahamonina io ny solombavambahoaka voafidy avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara ao amin’ny firaisana faha-6.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT