Actualités

Foire Vidyvarotra : Ralaiarimanana Razafindratsimba Tanteraka ny nofinofiny mba hanana tany


  • Talata 05 Oktobra 2010

Ralaiarimanana Razafindratsimba no nitsikian’ny vintana ka nahazo ilay loka goavana, mitentina 2 hetsy sy 4 tapitrisa ariary tamin’ny Foara Vidy Varotra andiany faha-10. Tany mirefy 350 metatra tora-droa eny Ambohimanambola no azon’ity raim-pianakaviana ity. Taterina aminao ny tafa fohy nifanaovana taminy.

Tia Tanindrazana : Mpamonjy Foara Vidy Varotra ve ianao ?
Ralaiarimanana Razafindratsimba : Tsy mpandeha aho fa vao io mihitsy aho vao niditra. Izany aza aho nangala-dia satria nirahina niantsena dia mba nivily tao hoe hijery fitaovan’ny mpianatra. Nividy ilay tapakila Arivo ariary aho, nameno ilay izy dia avy eo nandrotsaka azy tao anatin’ilay vata dia izay, tsy hitako intsony ny tohiny. Ny alahady hariva be aho no nantsoina hoe ny tapakilako no nahazo ilay tany.

TT : Ataonao inona izany izao io tany io ?
RR : Tena faly be aloha aho satria tsy nampoiziko sady tsy neritreretiko ilay izy. Tsy mbola manana trano aho manko ary efa herintaona izahay no nieritreritra hoe hividy tany kanefa tsy manana enti-manana. Ny olana kely fotsiny dia somary lavitra kely anay ilay izy, ny zanako manko mianatra aty an-drenivohitra avokoa dia mbola dinihina tsara izay hatao.
 
TT: Teninao farany ?
RR: Misaotra an’Andriamanitra, dia misaotra ny vondron’orinasa Vidy Varotra sy ireo mpiara-miombon’antoka.
 
Ny tany lehibe indrindra no azon’ity raim-pianakaviana tsara vintana ity ary ny tapakila laharana 1924 no nahazoany azy. Fiaraha-miombon’antoka teo amin’ny Vondron’orinasa Vidy Varotra sy ny Madagascar Immobilier Lanja na Milanja, eny Nanisana kosa no nahafahana nanome io loka goavana io.
 
Nangonin’i Soa
 
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT