Nivalona hatreo ny andiany faha-9 amin’ny Foire Vidy Varotra izay notanterahana tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahatena sy kolontsaina Mahamasina ny 30 aprily ka hatramin’ny 02 mey lasa teo.
Nanamarika ny hetsika ny lalao antsakapa izay nahazoan’ireo tsara vintana tany mitentina telo tapitrisa Ariary mahery. Tany telo mirefy 300 m² sy 400 m² moa no natolotry ny Lotis tamin’iny Foara iny izay marihina fa zava-baovao tsy mbola nisy teto amintsika. Fiara telo kosa no lafo teo amin’ny toerana natokana ho an’izany dia Peugeot 206, Bmw E30 320 ary Wolkswagen Passat. Tombony ho an’ireo mpivarotra koa ny nahafahany nifampitafa sy nifandray mivantana tamin’ireo mpitsidika izay inoana fa hisy voka-tsoa amin’ny asany. Fa toy ny mahazatra dia nahasarika olona maro ny fifaninanana fibaikona alika sy fifaninanana alika avo karazany. Eo anatrehan’izany anefa dia nisy ny lesoka izay nampanantenain’ny mpikarakara fa harenina amin’ny andiany manaraka. «Raha ho anay mpikarakara, dia azo lazaina fa tsy dia nahafa-po anay ity andiany fahasivy tamin’ny Foire Vidy Varotra ity noho ny antony maro. Teo ny tsy fahatomombanan’ny fiarahana tamin’ireo mpiara-miasa sasantsasany, teo koa ireo mpitsidika izay somary nilatsaka ny isany raha oharina tamin’ny Foire Oktobra ohatra. Izany rehetra izany moa dia misy ifandraisany amin’ny krizy ara-ekonomika indrindra indrindra izay andalovantsika amin’izao fotoana izao ka tsy maintsy misy akony na eny amin’ny orinasa, na eny anivon’ny fahefa-mividin’ny tokantrano malagasy. Tsy mahakivy anefa izany fa mainka aza entina hanatsarana indray ny andiany manaraka mba hahafa-po kokoa. Mankasitraka ireo rehetra niara-nifarimbona tamin’ny fanatontosana iny Foire Vidy Varotra andiany fahasivy iny ary manantena hatrany ny fiaraha-mientana»
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.