Miditra amin’ny andiany fahafolo ny Foire Internationale de Madagascar izay hotanterahina ny 07 ka hatramin’ny 10 mey ho avy izao etsy amin’ny Parc des expositions Forello Tanjombato.
Fahombiazana tanteraka no azo tao anatin’izay folo taona lasa izay raha araka ny fanazavan’ny mpikarakara tamin’ny mpanao gazety omaly. Tena nampiakatra ny toekaren’i Madagasikara mantsy ny fisian’ny hetsika, indrindra fa ny fanomezan-danja ny vita Malagasy ao anatin’ilay lohahevitra hoe : misokatra ho an’ny rehetra ny vita Malagasy. Hampiavaka ity andiany fahafolo ity ny fisian’ireo mpandray anjara marobe avy any ivelany sy avy eto an-toerana izay samy manana ny maha izy azy avokoa. Inoan’ny mpikarakara fa hitondra fanovana betsaka amin’ny toekarentsika eto Madagasikara ny fisian’ity hetsika ity no sady hitondra ainga vao ho an’ny mpandraharaha ihany koa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.