Mihen-danja ny toeran’ny vehivavy eto anivon’ny fiarahamonina Malagasy, hoy ny filoham-boninahitry ny Focus Development Association Ramampy Lechat Marie Zenaďde. Lasibatra amin’ireo karazana herisetra ara-tsaina sy ara-batana ny vehivavy Malagasy izay mirongatra be tokoa tao anatin’ny taona vitsivitsy izao toy ny mitranga any amin’ny faritra atsimon’ny nosy
. Niezaka nampahafantatra sy nanaitra ny fanjakana sy ireo mpitondra mahefa ny zava-misy ity fikambanan’ny vehivavy ity saingy tsy nahitam-bokatra mivaingana izany. Tena tsy angano fa manjaka tanteraka ny kolikoly eo anivon’ny zandary sy ny fitsarana, araka ny fanamarihan’ny filohan’ny tambajotran’ireo vehivavy afrikanina. Tranga manaporofo io tsy fanomezan-danja ny vehivavy Malagasy io ny tsy fahitana andriambavilanitra mpikambana ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara teo aloha lany tany Ambalavao. Izany indrindra no nanoloran’ny FDA kandida mpifaninana ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny zon’olombelona. Hijery manokana ny fiarovana ny zon’ny vehivavy Malagasy rahateo ny fikambanana amin’ny alalan-dramatoa Rabeony Mireille. Tanjon’ny fikambanana ny hampandray andraikitra ny fitondrana Malagasy ary hitondra ny raharaha eo amin’ny sehatra iraisampirenena raha miraviravy tanana ity farany.
Ramano F.
Sary fampihaingoana : Ny filoham-boninahitry ny Focus Development Association Ramampy Lechat Marie Zenaïde
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.