Actualités

Foara Vidy Varotra Mety ahazoana tany mitentina 11 tapitrisa ariary


  • Talata 14 Septambra 2010

Miala any indray ny Foara Vidy Varotra izay fanararaotan’ireo mpiantsena mikatsaka ny mora indrindra hatrany.

Ny 01 ka hatramin’ny 03 oktobra izao no hotontosaina etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny andiany faha-10 amin’ny Foara Vidy Varotra. Hatrizay dia tsy latsaky ny 240 ny isan’ireo mpandray anjara raha 300 kosa ny isan’ny tranoheva. Afa-po tamin’ny fandehan’ny tsena avokoa ny 97%-n’ireo mpivarotra na orinasa, araka ny valin’ny fanadihadiana notontosain’ny ekipan’ny Vidy Varotra. Tsy mahagaga noho izany raha efa nisy namandrika ny 75%-n’ireo tranoheva. Misy ny entana sahaza ho an’ny rehetra mandritra io hateloana io satria hita eny avokoa toy ny mahazatra ny sehatra atokana ho an’ny teknolojia «New Tech», ny akanjo fitafy hiaka farany, ny varotra tany sy trano, fiara. Tsy hadino koa ny kojakojam-pianarana miaraka amin’ny entana ho an’ny ankizy noho izao fidiran’ny mpianatra izao ary koa ny sehatra natokana ho an’ny andriambavilanitra.

Mihoatra ny 75.000 hatrany ireo mpitsidika tamin’ireo andiany rehetra ary tsy ho latsaka izay koa ity indray mitoraka ity, indrindra fa maro tokoa ireo fanatsarana sy kilalao isan-karazany omanin’ny Vidy Varotra sy ireo mpandray anjara. Anisan’ny goavana indrindra, ohatra, ny antsapaka karakarain’ny Milanja et MIR izay mety ahazoana tany misanda 11.050.000 Ariary. Mampiavaka ity andiany faha-10 ity koa ny hamaroan’ireo mpanohana toy ny Zain sy Indomie ary mpiara-miasa toy ny Service Speed, Moofball, Chery, Lifan, ny Collection Jejoo, Talia, TAF …
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT