Rahampitso 30 aprily ka hatramin’ny 02 mey ho avy io no hanatanterahana ny foara Vidy Varotra andiany fahasivy etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina.
Hiavaka tsy ho toy ny mahazatra ny hetsika satria zava-baovao maro sy tsy ampoizina no hiandry ireo mpandray anjara. Santionany amin’izany ny fisiana toerana maro ho an’ny fiantsenana sy ny fialam-boly. Ho hita ao ireo kojakoja sy karazan-javatra fampiasa amin’ny fiainana andavanandro toy ny menaka, ny siramamy, ny vary amin’ny vidiny zakan’ny rehetra. Tsy ho diso anjara koa ny vehivavy. Hisy ny fanomezana sehatra ho azy ireo manokana amin’ny alalan’ny kolo endrika. Tafiditra ao anatin’izany ny fikarakarana ny tarehy, ny fanalana volomaso, ny fanosorana vernis, ny taovolo, ny makiazy izay arahin’ny torohevitra maro samihafa. Hisy ihany koa fialam-boly amin’ny alalan’ny dihy sy ny kolo bika (tae bo, aérobic). Arahin’ny lalao sy fanentanana hahazoana loka ireo rehetra ireo. Loka goavana hatolotra ny tany roa samihafa mitentina 3.600.000 Ar sy 3.000.000 Ar amin’ny alalan’ny fividianana tapakila fidirana 1.000Ar arotsaka ao anaty vata voatokana. Hisy ihany koa ny fizarana loka ho an’ireo ankizy nandray anjara tamin’ny «Collection puzzle Jejoo» nokarakarain’ny gazety Jejoo. Akanjo jejoo sy bisikitra ary vatomamy sy kilalao no hozaraina amin’izany. Isan’andro amin’ny 4 ora hariva no hanaovana ny antsapaka ho an’ireo izay nahafeno sary roa. Marihina fa hotontosaina mandritra io foara io ny famoahana ireo karazana akanjo avy hatrany dia azo hanaovana novokarin’i Jejoo ho an’ny vehivavy. Ho an’ireo izay mitaiza kely dia efa hita ny vahaolana. Hisy ny toerana fandraisana ireo zaza madinika hahafahan’ny reniny miala voly sy miantsena tsara. Ho an’ireo vehivavy mpikambana ao amin’ny Club Jejoo kosa dia tsy mandoa vidim-pidirana izy ireo fa miditra amin’ny alalan’ny karatra maha mpikambana azy. Nohamoraina ihany koa ny fidirana ho an’ireo izay mividy «Édition spéciale foire» hivoaka anio amin’ny vidiny 500 Ar.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.